<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>49</hymn_number>
<title>Mba jereo ny Tompontsika avy ao an-danitra FFPM49</title>
<lyrics>[V1]
 Mba jereo ny Tompontsika
 Avy ao an-danitra,
 Indro, avy amin-kery
 Ao amin'ny rahona
 // Haleloia //
 Ambarao ny heriny.

[V2]
 Izay rehetra fahavalo
 Efa resiny tokoa ;
 Mifalia ry anjely !
 Mihobia, ry olona !
 // Haleloia //
 Ambarao ny lazany.

[V3]
 Fony mbola teto Izy
 Satro-tsilo nentiny ;
 Izao ny satro-bolamena
 Mendrika ny lohany
 // Haleloia //
 Ambarao ny derany.

[V4]
 Voaeso mafy Izy ,
 Be ny fahoriany ;
 Fa izao, asandratara Izy,
 Ambarao ny hajany !
 // Haleloia //
 He, ny voninahiny !</lyrics>
<author>H. Smart</author>
</song>